Lavitra anao (K6-Jey)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
LAVITRA ANAO

I-Tsy maintsy miandry aho fa tia
Asa izay hiverenanao?
Very hevitra aho aty
Tsy haiko intsony izay atao?
Mila anao ry tiako
Sao dia adinonao?
Tsy mety hitony aho
Mitovy ahy ve ianao?

Bridge:
Izay kely nomeko
Asa raha tsaroanao
Mahatsiaro tena very aho
Vao lavitra anao

Ref:
Baby mila anao aho
Vao lavitra anao aho
Fandriana ve sisa
No hany namako izao

Baby mila anao aho
Vao lavitra anao aho
Ondana ve sisa
No miara milalao

II-Sao mihevitra ianao fa
Mora manadino aho
Raha ny momba ahy
Tsy miova aho fa ianao hatrany
Resy sy mahonena aho
Baby manantena aho
Raha mety miverena
Modia fa miandry anao ny akany

Bridge:
Izay kely nomeko
Asa raha tsaroanao
Mahatsiaro tena very aho
Vao lavitra anao

Ref:
Baby mila anao aho
Vao lavitra anao aho
Fandriana ve sisa
No hany namako izao

Baby mila anao aho
Vao lavitra anao aho
Ondana ve sisa
No miara milalao

III-Im-piry no miantso aho
Manontany foana izay misy anao
Mangina ato an-trano aho
Tongava fa miandry anao

Ref:X2
Baby mila anao aho
Vao lavitra anao aho
Fandriana ve sisa
No hany namako izao

Baby mila anao aho
Vao lavitra anao aho
Ondana ve sisa
No miara milalao
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : K6-Jey
Vangy : 1659
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : Tatr
Daty : 31/03/2017 20:45
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1073