tso drano (Justin Vali)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
tso drano

raha niainga tany aminay zahay e
dia nitso drano ireo ray aman dreninay e
nidona ny orana avy ao an karatra o
dia nanombana kosa ny avy ao andringitra o
nirotsaka tampoka re ny orana
nikija mora tsy natahorana
nitso drano anie ny razana
nitondra am bavaka anie ny havana ooo

izao letsy hozy ny teny ambaranay ee
tsara tso drano ialahy ry zanako ooo
tsara vavaka anie ialahy eee
tsara mandroso ialahy letsy hozy
tsara miverina ialahy letsy ozy eeeee

enga anie ny herin atra o
ny tsiron ny tany sy ny andon ny lanitra ee
mba tsy ho diso fanantenana ooo
fa ho tafaverina soa aty an tanana
mahazahoa ny soa sy izay irina aa
tongava amin ny avo ambony sy tsara indrindra
mahazahoa saina sy fahendrena a
ho reharehan ny tany sy firenena a

izao letsy hozy ny teny ambaranay ee
tsara tso drano ialahy ry zanako ooo
tsara vavaka anie ialahy eee
tsara mandroso ialahy letsy hozy
tsara miverina ialahy letsy ozy eeeee

raha hande any lavitra any o
dia tadidio f izahay eo anilanao o
aza matahotra ny ho very eee
fa ny tso drano anie zava mahery eeee

fa ny tso drano anie zava mahery eee
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Justin Vali
Vangy : 562
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : andrianjaka4766
Daty : 02/01/2024 01:56
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0765