Sasatra (JOYK)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Sasatra aho
ny manara-maso anao
entanim-pitiavana
raiki-pitia
toa mahatsiaro tena
ho fianaritra
raha notarafinao
tsikim-panantenana
sasatra aho
ny miandry lava anao
manana finiavana
ny hanara-dia
mandrevy ilay fiarahana
maharitra
raha vao notafainao
indray niserana

hay inty noheveriko
masoandro hamoha ilay
foko mbola matory
efa manan-tompo
fa fahalalam-pomba
no nitsikiany ahy
ka aleo hihira aho
hanamaivana alahelo
mivagongo anatiko ao
ny alom-pahatsiarovana
ka aleo hivazo aho
hanalana sorisory
hirako izao
hanadinoako anao

sasatra aho
ny miverimberina
te hitraotra mafy indray
nefa tsy sahy
ny lalana nodiavina
tsy hiverenana
fa aleo hivalona
ny amin'iny fa
sasatra aho
ny manonofy ilay
alin-diavolana
somambisamby
mbola manantena fa
any ilay andro iray
hanairan’ny fitiavana
ity foko matory

hay inty noheveriko
masoandro hamoha ilay
foko mbola matory
efa manan-tompo
fa fahalalam-pomba
no nitsikiany ahy
ka aleo hihira aho
hanamaivana alahelo
mivagongo anatiko ao
ny alom-pahatsiarovana
ka aleo hivazo aho
hanalana sorisory
hirako izao
hanadinoako anao
ka aleo hihira aho
hanamaivana alahelo
mivagongo anatiko ao
ny alom-pahatsiarovana
ka aleo hivazo aho
hanalana sorisory
hirako izao
hanadinoako anao
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : JOYK
Vangy : 5861
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : rta
Daty : 10/04/2015 14:33
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.076