You are here: home > Tononkira > Jon Mos

RAOZY HIRAIN'NY FANAHY (Jon Mos)

https://tononkira.serasera.org/hira/jon-mos/raozy-hirainny-fanahy-3

Tsy ho afaka an-tsaina, ka indro ho hiraina
Reo lasa rehetra hatrizay, ka indro an-kira noho ny hafaliana
No entiko misaotra anao
Novetsovetsoiko ireny, nataoko an-kira iray, ho anao satria tiako ianao
F'ilay fitiavanao no nasehonao ahy
Namadika tantara iray

Ref:
Indro ny foko raiso ho anao
Ka aoka ho anjakanao ny fiainako
Aza avelanao hangina indray
Ilay raozy hirain'ny fanahy

Ny iriako hitoetra eo anilanao
Ny alina aho irery ka lavitra anao
tononkira.serasera.orgNy fitiavanao no mitoetra, tsy voafaritro mihitsy ato an-tsaiko ato
Banga ny fiainako raha tsy eo ianao
Aiza ianao mila anao anie aho
Ilay voninkazo ho roa no hitambatra ho iray Tiako ianao raha toa ahy

Ref:
Indro ny foko raiso ho anao
Ka aoka ho anjakanao ny fiainako
Aza avelanao hangina indray
Ilay raozy hirain'ny fanahy

Efa fantatro izao fa teo ihany ianao
N' inona iseho izaho mahatoky anao
Ny ampitso koa mbola manantena ihany aho

Ref ...(2)

JON MOS

© Juin 2017

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Jon Mos
Mpamaky : 157
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : inarose07
Tamin'ny : 31/07/2020 21:26:21
ID : 12961

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo