Miverena (2nd version) (Jon Mos)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
’lay romeo tsy mety intsony ny hangina
Ka nanambara ilay fitia
Namela ratram-po tsy hainy sedraina
Mahatonga azy hitaraina
Fa ny anio, ny ampitso sy rahatrizay
Dia ny ho eo aminao ihany no faniriany
Ka ankehitriny hono izy manantena anao
Ny hiverenanao
Raha azo ataaaaao..
yeah e e e

Tiako ianao ho ahy
Na ho sarotra aza ny hanadino anao
Aza avela aho
Hanalavitra amin'ilay toeranao

Dia aza fohazinao intsony ireo lasa
Fa efa nohadinoiko avy izy ireny
Ka tsy hiverenako intsony
Toa zary embona nanaraka ahy fona ireny
Ilay endrikao hatrizay
Toy ny voninkazo iray
Fa raha tsapanao, fa mbola tiako hitoetra ao am-ponao
Ilay fitia izay nangeja hatrizay
Ka indro averiko indray hoe:

Tiako ianao ho ahy
Na ho sarotra aza ny hanadino anao
Aza avela aho
Hanalavitra amin’ ilay toeranao

Toy izany aho rehefa tia
Ka aza hitseranao na kilalao
Nefa mbola manantena ihany aho
Fa ho avy ny andro iray
Ho iray indray izaho sy ianao

Eny tiako ianao hatramin'izao
Ka iriako hiverin'indray
’lay fitiavan’iray ka hiraiko hoe:

Tiako ianao ho ahy
Na ho sarotra aza ny hanadino anao
Aza avela aho
Hanalavitra amin' ilay toeranao
Nataoko ho fantatrao, eny hatramin'izao fa mbola tiako ianao
K'aza ilaozanao aho
Fa miverena...mmm..miiiverenaaaaa aann

yeah! aza avelanao (x2)
hanirery aho
yeah! ianao na handao ahy (x2)
tiako ianao eh eee!!:;:

{Lazao ihany izay tsapanao fa mety ho very ao anatin'ny indray mipi-maso ny fahafahana ary ny nenina mety aharitra eo @ fiainana.}
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Jon Mos
Vangy : 811
Mpankafy : 2 Ankafizo
Nampiditra : hery
Daty : 25/07/2020 00:05
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3544