Antso (Jim Praise feat Sarobidy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ho anao izay mandre ity hira ity
Ho anao irery ihany ny fitiavany
Ny ainy nafoiny ho anao, hisolo ny helokao
Ho anao tsy misy tambiny.

Ho anao izay mandre ity hira ity
Saintsaino ny ''Ny Fahalehibeazany''
Tsy nila tambiny izy, fa nomeny ho anao izany
Ho anao no nahatongavany.

Ref:
Ho anao irery ihany ny fitiavany
Fa ianao irery ihany no tena maminy
Fa ho anao izany, ho anao hatrany
Fa ianao, ianao Jesosy
Ianao irery ihany no nahavita izany.

...................

Efa renao ve izany antsony
Efa nekenao ve ny handray ny tànany
Raha mino ianao anio, te hiova fo madio
Izy anie hiantso anao ho zanany.

Ref:
Ho anao irery ihany ny fitiavany
Fa ianao irery ihany no tena maminy
Fa ho anao izany, ho anao hatrany
Fa ianao, ianao Jesosy
Ianao irery ihany no nahavita izany.

Pont:
Soa fa teo ianao Jesosy ô!
Soa fa teo ianao
Ianao anie hiaro ahy
Elatra hiankarako.

...................

Ref:
Ho anao irery ihany ny fitiavany
Fa ianao irery ihany no tena maminy
Fa ho anao izany, ho anao hatrany
Fa ianao, ianao Jesosy
Ianao irery ihany no nahavita izany.

Ianao irery ihany no nahavita izany!!!
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Jim Praise feat Sarobidy
Vangy : 1355
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : christophe17
Daty : 14/12/2019 08:22
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0763