Voady (Jess Flavi One)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Sarotra amiko ny hanafina fa
Ianao ilay mampitempo ny fo
Eo anilanao no mahasambatra ahy
Ilay fitiavantsika iriako ho lamban'akoho
Nomenao ahy ny toky fa tsy ho rava
Samy tia ka mino aho fa tsy hifamela
Efa zatra niara-droa hatry ny ela
Hifanolo-tanana hifanampy lalandava

Nafoinao ho anah
Ny fitiavanao
Ka omeko anao
Izay rehetra ato am-poko
Misaotra fa tsy nolavinao
Na dia tsy tomombana
Manaiky va ho vadiko ianao?
Ka omeko fitia
Midoroboka
Satria tiako ianao
Olon-tiako ianao
Satria tiako ianao Baby
Eiehh ou ouh

Manomboka eto efa tsy ho irery intsony
Satria eo aho tojo harena
N'iza n'iza hijoro tsy ho adino
Ilay tananao efa nasiako volamena

Nafoinao ho anah
Ny fitiavanao
Ka omeko anao
Izay rehetra ato am-poko
Misaotra fa tsy nolavinao
Na dia tsy tomombana
Manaiky va ho vadiko ianao?
Ka omeko fitia
Midoroboka
Satria tiako ianao
Olon-tiako ianao
Satria tiako ianao Baby
Eiehh ei eh
Oh oh

Olon-tiako ianao
Bisou bisou
Je t'aime
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Jess Flavi One
Vangy : 988
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : 6bernt
Daty : 17/12/2019 21:46
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0737