Hafanana (Jeannot RAZAKANDRAINY)

https://tononkira.serasera.org/hira/jeannot-razakandrainy/hafanana

(Hiran'i Ghaby nohirain'i Jeannot Razakandrainy)

Tadidio kely ange
Indray takariva izay
Notantaraiko tamin’ise fa
Tsy miaraka izahay
Fa matoa izy eo anilako
Satria tiako ny eo anilany ôh
Fa raha izay fitiavako ?
Na misy aza silany

Fa ny antsika kosa
Hafa tsy toa ny anay
Fa fitiavana miavosa
No niarahana hatrizay
Toky ihany no omeko
Omeko anao
Tsy omeko azy o
F’izay efa nekeko
tsy ataTsiky dia ampyoko vazivazy

ref:
Fa tiako loatra ianao
Mamy toa tantely
Tena fitia fa
Tsy lainga velively
Misy ihany anefa anie
Omeny ahy tsy omenao
Ka hadisoako ve ?
Sa kosa diso ianao ?


Anananao tokoa ny bika
Ny endrika torak’izany
Nefa kosa mangatsiaka
Raha anilanao hatrany
Ny hafanana ry lalaiko
Mila izany ny fitia e
Ny fitia e
Io ihany no karakaraiko
Matoa aho tsy tonga aty.


Tonony sy feony : Ghaby na i Julien Ramiandra

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Jeannot RAZAKANDRAINY
Mpamaky : 74
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : hery
Tamin'ny : 06/12/2019 22:17:47
ID : 12272

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo