Mifohaza ry taom-pahazaza (Jeannette)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Mifohaza ry taom-pahazazaRy androko mamy tantely
Niondanako nofin'anjely
Nitohofa kapoak'andronono
Ka hanampy ny ela mifono
Mifohaza ry taom-pahazaza
(x2)
Modia ry andro nania
Nandratoako fitiavana lafo
Nahasandratr'ireo safosafo
Nanahofako ila fahiny tanilan'i Dada sy Neny
Modia ry andro nania
--------
Rohy:
Hevitra
Kotsur
(
19/05/2026 17:01)
Araka ny hadiady dia :
Madame Jeannette (de son vrai nom Marie-Jeanne, 1903-1981)
Asa raha mba misy afaka manamarina izany.
Akaiky ny foko izy io satria tian'i Neny.
Madame Jeannette (de son vrai nom Marie-Jeanne, 1903-1981)
Asa raha mba misy afaka manamarina izany.
Akaiky ny foko izy io satria tian'i Neny.
Kotsur
(
19/05/2026 17:14)
Araka ny Fanadihadiana koa dia ity :
A/C : Raza-Therack, Teraka Ramamonjisoa
Mba mangataka raha misy mahalala ny marina. Misaotra tompoko.
A/C : Raza-Therack, Teraka Ramamonjisoa
Mba mangataka raha misy mahalala ny marina. Misaotra tompoko.