Azafady (Jacquis Randria feat Njara Marcel)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Azafady aho raha toa ka nandratra anao
Be loatra ireo vita sy ditra natao,
Tsy nahay nifehy tena nanao ny tsy fanao, hmm! mmm!!!
Nampirafy aho, nampijaly anao.

Ireo teny marary sy ireo latsa ifonako ô! ôô!!
Fa zaho anie bandy mety ho solafaka ihany.
Ireo fakam-panahy maro loatra, mamingana!
Izay tia hono adala, hafa ihany malala.

Ao fa hiova aho!
Tsy hamerina intsony aho!
Tsy hoe kapain-tsy hita fery ialahy ka handeha hampijaly vehivavy e!
Aza faly ny hanimba sy ny hamiravira ialahy, tsinjovy ny hoavy.

Aza anariana mavesatra izy ireo
Tsy kilalao izy azafady.
Diniho izay atao
Fa ho very ialahy raha toa ka tsisy vehivavy.
....
Aza miandry voadona ialahy vao mba tonga saina!
Tsy entam-barotra amidy io fa aza viraviraina, non non!!!
Tsy hoe lany hamamiana ka ho arianao ny faikany e! he!eeh!!
Rendrarendra tsy ho lany fa mba saino ihany.

Ireo vehivavy natao fanaja e! eh!eee!, hmm!
Hoe afaka miaina ve raha toa ka tsisy azy!, ooh!! hmm!
Tsy sakafo fihinana io, ka ho atao andramana ô! hô! ôh!
Sao ho fatrapifidy elah tandremo lesy zany.

Ao fa hiova aho!
Tsy hamerina intsony aho!
Tsy hoe kapain-tsy hita fery ialahy ka handeha hampijaly vehivavy,
Aza faly ny hanimba sy ny hamiravira ialahy, tsinjovy ny hoavy e!

Aza anariana mavesatra izy ireo!
Tsy kilalao izy azafady.
Diniho izay atao
Fa ho very ialahy raha toa ka tsisy vehivavy.

Tsy hoe kapain-tsy hita fery ialahy ka handeha hampijaly vehivavy e!
Aza faly ny hanimba sy ny hamiravira ialahy, tsinjovy ny hoavy.

Aza anariana mavesatra izy ireo!
Tsy kilalao izy azafady.
Diniho izay atao
Fa ho very ialahy raha toa ka tsisy vehivavy.
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Jacquis Randria feat Njara Marcel
Vangy : 1561
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : christophe17
Daty : 28/06/2022 19:48
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3609