Tena Namana (Ismael)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Si tu as de la chance d'avoir une ou des personnes oe : TENA NAMANA
Garde-les parce qu'ils sont précieux... Ok

Tadidinao ve tsika roa latsa-dranomaso ?
Marary ny abdo, marary hatramin'ny nangy
Fa nivanitika loatra, niparitaka loatra
Fotoana tsy ho adino mandrakizay fa tsara loatra oa ireny

Soroka miara-milanja, tongotra miara-mamindra hoa
Vitsy ny tena akama, f'ianao ny anah dia vice-versa
Life io enjana raha hampisaratsaraka
Fa tadidio fa...

Na firy taona aza tsika tsy mihaona
Dia mbola ianao foana ilay TENA NAMANA
Na aiza na aiza eto an-tany
anaty ambony sy ambany
Tsika tsy mifanary.. Non... non... non... non... (X2)


Fa haiko tsianjery ialahy, ndry, nareo...
Topy maso tokana tsy mila feo
Efa "télépathie" io fa aza manotany eh
Haiko foana ny any an-tsainy, tsisy miafina amiko

Fa namana tena izy io
Te hahita anah tafita io
Izy ilay manarina raha sendra lavo hoe :
"Eto foana aho, tadidio !"
Life io tsy manafosafo isan'andro hoy aho
Fa aleo aho mba hampatsiahy anao kely fa :

Na firy taona aza tsika tsy mihaona
Dia mbola ianao foana ilay TENA NAMANA
Na aiza na aiza eto an-tany
anaty ambony sy ambany
Tsika tsy mifanary.. Non... non... non... non... (X2)

Mifanaja tsy mifanambaka
Mifanala fa tsy mifanaratsy
Aza manahy fa : "I got your back"
Tu es "safe" avec moi ranabavy.
Na indraindray aza aho tsy eo dia eo foana,
Manohana anao mandava-taona
Ireo tsiambaratelo entiko milevina hoy aho...
(motus et bouches cousues.... kopy elah)

(TENA NAMANA....)
Na firy taona aza tsika tsy mihaona
Dia mbola ianao foana ilay TENA NAMANA ( na firy taona... na firy taona aza)
Na aiza na aiza eto an-tany
anaty ambony sy ambany
Tsika tsy mifanary.. Non... non... non... non... (antsika tsy mifanary e...)

Na firy taona aza tsika tsy mihaona
Dia mbola ianao foana ilay TENA NAMANA ( ianao ilay tena namana...)
Na aiza na aiza eto an-tany
anaty ambony sy ambany
Tsika tsy mifanary.. Non... non... non... non...
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Ismael
Vangy : 161
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : LurissAdr
Daty : 09/02/2024 19:08
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.7868