Tsy hatahotra aho (Isaia Feat Ariane)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
L: Lasalasa saina very aho
Mandinika ireo loza maro
Tsy hatahotra aho,
Fa eo Ianao.

V: Tojo ratra-po sy fijaliana
Marary voadonam-pahoriana
Tsy hiverina aho,
Fa anaraka Anao.

L: Ny sandrinao no mihazona ahy
Hiala ny fankam-panahy
V: Tompo ô!
LV: Tsy hanahy aho.

Ref:
LV: Ny tananao, no mpiaro ahy
Ny feonao, no mankahery ahy
L: Na loza mifafy, na areti-mifindra
LV: Hafa foana ny akaikinao
Tsy hatahotra aho ny hoaviko.

....

L: Na tsy fantatro izay miandry ahy,
Ireo ratsy mety hanimba ahy
Levony amin'ny afo masinao Tompo ô!

V: Fantatrao izay mahasoanay
Ianao tsy hanome izay tsy zakanay
LV: Matoky aho, Ray ô!!

L: Ny sandrinao no mihazona ahy
Hiala ny fankam-panahy
V: Tompo ô!
LV: Tsy hanahy aho.

Ref:
LV: Ny tananao, no mpiaro ahy
Ny feonao, no mankahery ahy
L: Na loza mifafy, na areti-mifindra
LV: Hafa foana ny akaikinao
Tsy hatahotra aho ny hoaviko.

....

Ieeh!!
Ref: ....
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Isaia Feat Ariane
Vangy : 819
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : christophe17
Daty : 03/11/2021 20:48
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0873