You are here: home > Tononkira > Imiangaly

4.2.1 (Imiangaly)

Rivotra
Rivotra mamelombelona, mitondra tsioka
Manoritra tsiky tsy mety fafana, tsy mety gomaina
Ilay feonao

Rano
Rano loharanon’aina tsy hamela ho maina
Ilay fanantenana fa mbola handresy, hitsiry tsy ho tana
Ilay fitiavanao

Afo
Mandoro tsy laitra vonoina na dia efa mitsovaka
Sy mipoa-drano aza dia mbola idongiana ikasokasotononkira.serasera.orghana
Ity fonao

Tany
Iorenako sy anorenako fakako, vatako, fakam-panahiko
Tany ifikiran’ireo nofinofiko
Ny masonao

Baby, Baby Boo,
Fa aiko, fananako,
Singan’ny fiainako ianao
Oh my Baby Boo
Tontoloko, manontoloko
Singan’ny fiainako ianao

(Tiako ho fantatrao fa ianao
Ilay rivotra,
Ilay rano,
Ilay afo,
Ilay tany
Iorenan’izao tontoloko izao)

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Imiangaly
Mpamaky : 514
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : ikalamako
Tamin'ny : 21/04/2019 12:13:04
ID : 11567

Henoina (sombiny)

Sombiny ihany aloha no henonao eto fa azonao alahatra ao amin'ny RadioVazoGasy

Alaharo ao amin'ny RadioVazoGasy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo