Izaho tsy hiala (Iloaina)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
V: Na dia tsy araka izay hiheverako aza,
Izay lalana hitondranao ahy
Na tsy amin'izay hangatahiko aza,
Izay omenao ahy
Dia tsy hampiala ny fifaliako intsony,
Raha ny zavatra hita maso etÿ!
Fa ny hetaheta mihintsy no efa lasa arÿ!

L: ...
(X2)

Ref:
LV: Dia izaho tsy hiala, tsy hiala
Ianao mahalala, izay hitondranao ahy
Ka ny finoako, tsy hiala
Tsy miankina amin'izay valim-bavako.
(X2)

V: Misaotra Jesôsy!, noho ilay loharano nomenao
F'izay ihany!, no nahafaka hetaheta ahy.
(X2)

V: Na dia tsy araka izay hiheverako aza,
Izay lalana hitondranao ahy
Na tsy amin'izay hangatahiko aza,
Izay omenao ahy.

L: Dia tsy hampiala ny fifaliako intsony,
Raha ny zavatra hita maso etÿ!

V: Fa ny hetaheta mihintsy,
LV: No efa lasa arÿ!

Ref:
LV: Dia izaho tsy hiala, tsy hiala
Ianao mahalala, izay hitondranao ahy
Ka ny finoako, tsy hiala
Tsy miankina amin'izay valim-bavako.
(X2)

Chœr:
Izaho tsy hiala!, tsy hiala!
Izaho tsy hiala!
(LV: Tsy...! hiala aminao aho Jesôsy!)
Izaho tsy hiala!, tsy hiala!
Izaho tsy hiala!
(LV: Tsy...! hiala aminao ny finoako!!!)

V: Na dia tsy araka izay hiheverako aza,
Izay hitondranao ahy!!

Dia izaho tsy hiala!
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Iloaina
Vangy : 351
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : christophe17
Daty : 26/02/2023 17:29
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0723