ANJARA (HEROZ)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tsy misy ny anjara zay tsy hihaona
Indray mandeha ihany izany no mitranga amin'ny fiainana
Izao mieritreritra irery iny
Ilay fitiavana indray no toa mandondom-baravarana

Ilay tsiky tonga lafatra, nandrandraiko fatratra
Ny fo roa nifandray ka hitambatra iray
Ary hiriako ho mandrakizay

Fa n'aiza n'aiza ny misy anao dia tiako hisy ahy
Ho solointsika fitia ireo ahiahy
Hamakivaky ny fiainana isika roa
Hifampitantana sy hifanome soa
Aza mihodina any an-kafa fa ny masoko no banjino
Aza misalasala fa ny tahotrao ario
Ilay fitia ao anaty no ataovy ho tokinao
Aza miahiahy izay mety ho avy

Ireo masonao maneho fifaliana
Ny feonao malefaka mambabo ahy
Ny endrikao toa masoandro mibaliaka
Mamiratra manazava ny làlana ho diaviko

Ilay hitoeran'ny foko, mandravaka ny tontoloko
Fo miara mitempo hitambatra iray
Ary hiriako ho mandrakizay

Fa n'aiza n'aiza ny misy anao dia tiako hisy ahy
Ho solointsika fitia ireo ahiahy
Hamakivaky ny fiainana isika roa
Hifampitantana sy hifanome soa
Aza mihodina any an-kafa fa ny masoko no banjino
Aza misalasala fa ny tahotrao ario
Ilay fitia ao anaty no ataovy ho tokinao
Aza miahiahy izay mety ho avy

Ka hiezaka aho ny hahafaly anao
Hanao izay rehetra rehetra azoko atao
Ka omeko anao ny soa sy ny mamy
Mba ho tsiky no hiainana hatrany hatrany
Izaho anefa olombelona ihany
Indraindray mety ho diso, mety ho lavo ambany

Fa rehefa eo anilanao, tsy hataoko hisy hampanahy

Fa n'aiza n'aiza ny misy anao dia tiako hisy ahy
Ho solointsika fitia ireo ahiahy
Hamakivaky ny fiainana isika roa
Hifampitantana sy hifanome soa
Aza mihodina any an-kafa fa ny masoko no banjino
Aza misalasala fa ny tahotrao ario
Ilay fitia ao anaty no ataovy ho tokinao
Aza miahiahy izay mety ho avy
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : HEROZ
Vangy : 2079
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : harijhers
Daty : 24/07/2019 12:36
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0735