Fitiavana (Gospel For love's Choir)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
****** Fitiavana ******

And 1 :
Olon-tsamihafa izahay
No navondrona ho iray
Tamin'ny alalan ilay RAY
Zay nampiray anay

Ankehitriny tafiara dia
Hiara-hikalo hiara-hifaly
Hiara hanadratra ilay fitiavana

Ref:
Raha mifankatia isika
Mitoetra amintsika
Andriamanitra
Ô . Ô . ô
Hotanteraka amintsika
Ny fitiavany tsy ritra
Fa maharitra
Mandrakizay

And :2
Izahay tsy maintsy midera
Efa izay ilay tarigetra
Ka na lavitra ny lalana
Zahay tsy hiemotra

Ny fifankatiavanay
Tsy ho foana mandrakizay
Izany no hitorianay hoe
Andao HIFANKATIA e !

Ref : *******

**Teny izay napetrany :" ny fifankatiavana "
Ho tahak'izay
**no nitiavany Anao **

Ref :
Raha mifankatia isika
Mitoetra amintsika
Andriamanitra
Ô . Ô FA
Hotanteraka amintsika
Ny fitiavany tsy ritra
Fa maharitra
Mandrakizay.

Ref :**** *****

** Ho iray **
Izao sy ianao
* Ho iray **
Hiara dia
* Ho iray **
Ho doria
Hifankatia

Raha mifankatia isika
Mitoetra amintsika
Ilay RAY ......

*****************
A/C : Diamondra
Arr : Anthonio
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Gospel For love's Choir
Vangy : 779
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ratiarison20
Daty : 04/05/2020 18:18
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0732