R A D (Glasst)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Aia, Ra Glasst koa zay
Hajao ràna ny ray amandreny aa

Hajao ny ray amandreny, hajao
Hajao i baba amin' neny, hajao

Kouesy

Hajao i baba amin' neny, hajao
Akory soa
Hajao ny ray amandreny, hajao


Ra Glasst mananatsa anazy, manolo kevitsa ny mpianakavy
Eko manao ny azafady, mamalivaly ray amandreny tsa miady
Ko hasakasakareo le tsa hanaja ny babanareo
Ko hasakasakareo le tsa hanaja ny neninareo

Manajà moa ny ray amandreny fa raha reo no nahitana masoandro
Raha hahasoa agnareo any ny tarotarogna ataony isanandro
Omeo ny valimbabena, tolory ny valimbabena
Tretrika izay manana omena, manan'anaka tsa tia tena

Hajao roa ny babanareo, hajao roa ny neninareo
Hajao roa ny zokinareo, hajao roa ny zandrinareo

Hajao ny ray amandreny, hajao i baba amin' neny
Hajao i baba amin' neny, hajao fa ray amandreny

Baba, omeo fagnajàna
Neny, tolory fagnajàna
Baba, omeo fagnajàna
Neny, nahitana masoandro

Hajao moa ny ray amandreny, tiavo moa ny ray amandreny
Tantiraho aby ny agnatsagnatsa izay nomeny
Fa zao ro mahatambelogna (eke), io ro mahaela velogna (eke)
Fagnajàna rana maha olombelona ny olombelona

Jereo ny kamboty ray de mba jahao ny kamboty reny
Misaora an'Andriamanitsa agnareo velon-dray amandreny
Omeo fagnajàna i, de omeo ny fitiavana
Omeo fahendrena i, de omeo fahasoavana

Hajao ny ray amandreny, hajao i baba amin' neny
Hajao i baba amin' neny, hajao fa ray amandreny

Baba, omeo fagnajàna
Neny, tolory fagnajàna
Baba, omeo fagnajàna
Neny, nahitana masoandro

Hajao ny ray amandreny, hajao i baba amin' neny
Hajao i baba amin' neny, hajao fa ray amandreny

Hajao,  hekeee
Hajao,  koueeesy
Hajao,  
Hajao, ena rànaaa

(Hajao) Andriamanitsa hita maso raoba zao ray amandreny zao
(Hajao) ((Fa matoa faritsa Mahatsiatra sy an'ia ro tarognina))
(Hajao) De vôna misy ray ako vôna misy reny
(Hajao) Izao ray amandreny zao rana nampisotro rano tsa nahakofogna ko namahambary tsa nahakenda
(Hajao) Eko dia fadio ragna ny mamalivaly sy manihitihina ny ray amandreny fa
(Hajao) Tsa misy raha ze hahafaka ràna
(Hajao)

Tretrika ny manana azy, ray samy manana ny azy
Reny samy manana ny azy, mifankatiava agnareo mianakaby
Io ro nipoiranareo, nahalihibe agnareo, ray amandreninareo, nahalava taola agnareo
Io ro nipoiratsika, nahalihibe atsika, ray amandrenitsika, sady nahakolokolo atsika

Hajao ny ray amandreny, hajao
Hajao i baba amin' neny, hajao

Hajao i baba amin' neny, hajao
Hajao ny ray amandreny, hajao
...
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Glasst
Vangy : 207
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Liva_R
Daty : 04/12/2024 16:34
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0877