Tsy ho lasan'ny rivotra (Geoscar)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Hainay fa mafy ny adinao
Indraindray marary mampitomany
Tairo asio tsiky dia courage
Fa ny diavolan-ko lava eo ihany

Fa androany mamaha ny fahatorana
Dia tairo mandroso fa tsy olana
Na nisy nandrava ny omaly
Ny ampitso afaka manarina ihany

Hainay ianao fa mafy e
Fa ny ezaka no mbola tsy ampy e
Zay koa miara-manantena aminao
fa tairo alefa lesy e

Tsisy natao tsy ho zaka eo
Matoa io nomena dia zakanao
Tsy maintsy ho tody ny lakana
Na nisy pirate eny amin’ny lalany

Mbola ho tonga amin’ny faniriana
Hiara-hifaly amin’ny family
Mbola hisinda ny hirifiry
Fa ny ezaka jiaby tsy ho lasan’ny rivotra any

Ho tonga amin’ny faniriana
Hiara-hifaly amin’ny family
Hisinda ny hirifiry
Fa ny ezaka jiaby tsy ho lasan’ny rivotra
Oh ….. tsy ho lasan’ny rivotra…. Oh…..

Mbola hidoroboka otran’ny voaloboka
Alevona fafiny hatramin’ny voalohany
Tsy maintsy ho tafa fa courage
Voazona ka tsy isan'ireo olona ambony

Mila handrarezina izay vao miamboha
Efa niomana an’izany efa hatrany am-bohoka
Na mangidy na tsara efa nigoako
Na be mpanatsa aza tsy maintsy hiroso ô
Be mpanakora, tsy maintsy hiroso ô

Dia nanabado olona ny ankamaroany
Nilaza fa tsy fidy io tany am-piatombohana
Tsisy tsy ho tratra, tsisy tsy efa zay vonona
Ampian’ilay fitahian’ny ao ambony

Mbola ho tonga amin’ny faniriana
Hiara-hifaly amin’ny family
Mbola hisinda ny hirifiry
Fa ny ezaka jiaby tsy ho lasan’ny rivotra any

Ho tonga amin’ny faniriana
Hiara-hifaly amin’ny family
Hisinda ny hirifiry
Fa ny ezaka jiaby tsy ho lasan’ny rivotra
Oh ….. tsy ho lasan’ny rivotra…. Oh…..
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Geoscar
Vangy : 8617
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : eugene
Daty : 13/06/2023 20:02
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0198