Hisaraka (Gas'ta)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Fahafinaretana tsy misy hoatr’izany
Dia ’tsika mianakavy
Miaina eto ambonin’ny tany
Misary adala tsy mieritreritra hoe:
Indray andro any mbola hiala
Fa dia mirevy amin’ny fo tokoa
Excursion, pique-nique
Mitsangatsangana hatrany Ambatofotsy
Mifandrotsirotsy anaty fiara
Dia mihirahira ’tsisy manaiky miala
Faly dia tena faly
Miadana ka tsy mahatsiaro mijaly
Fa dia sondriana,variana fa misy ny vola
Dia lasa ’zao miodina
Tsy hangina nefa tandremo fa
Tsisy hijanona eto ’tsika mandrakizay
Na vazaha, na gasy,
Na ny tena tsy tia ny zava-
boaharin’Andriamanitra
’Tsika tsy maintsy ho tazana
Hatramin’ny tena fara-kelin’aina
Ny hangeza famaizan’izay nandoro
Tsy maintsy mody @ farany
Dia ’zao no làlany,Dia hajao ny anarany
Mifankatiava raha samy mbola velon’aina
Dia izao no sarany,izao no sarany
Na dia tiana aza ny hiaraka
Dia tsy maintsy misaraka
Eny mafy izany hoe hifandao
Nefa tsy misy azo atao
Hany heriko sisa mifandray tànana
Mba ho mariky ny fifankatiavana

Eh! Mifankatiava raha mbola samy
velon’aina
Izay fa any ambany rangolahy dia
Ranomaso sisa no azo atao
Veloma,Bye-bye fa tsy hita izay
hiainana amin'zany
Fa ’zay fotsiny ny fanafodiny dia ny
Mifankatiava ihany,
Foiko ianao na hody vovoka
Dia mba misaina....

Tandindonin’ilay rahona mainty
Nazava tao anatin’ny lohako f’hisaraka
Tsy haiko na niova hatr@’ilay loko tanaty
ny foko
Fa ranomaso niraraka
Eny, faniriana ny hiaraka roa fo
Tonga ialy fotoana nadaboka na efa
fantatra
Tsy hay atao anatin’ny loha
Tonga dia ianao ’ndray no lanaka
Ka tsy izy akory no voa
Sady izay no voasorany
Raha tsy maintsy ho làlany
Inoako ary aho fa tsy fantany
Tamin’lay nitsapa an’azy tamin’lay fotoana farany
Satria efa nangatsiaka ny vatany
Tsy nikoriana ny ràny
Asa! ’zay kosa angamba no anjarany
Zah fotsiny no mamisavisa ny ho avy tety
Ka aleoko mangina fa tsapa fa tena tsy
zaka izany
Handao ny tiana, nilaozan’ny tiana,
Na fifaliana, na fahoriana
Tsisy fandriny fa nizotra avokoa
Ka anjaran’ny tsirairay mandinika sy
mampitony ny fony
Ka na hisara-toerana, aza malahelo na
mitomany
Fa tsy maintsy hihaona ’nareo ’ndray
andro any
Ny an’ny sasany aza nalevina nalentika any
ambanin’ny tany
Mbola mino izy fa hifankahita hono any
an-danitra any
Mba tsy hisian’ny nenina, tsy azo afenina
Tsisy ahita na sanatria ’lay akaikinao lasa
tampoka
Vita tsy hita, eo ianao mipitrapitra
Nikombona ny vava
Ranomaso sisa nijininika nanenika ny tava
Satria hisaraka
Eny na dia tianao aza ny hiaraka
Dia veloma sisa no azo atao sy mba
fantatra
Ka misainà ihany
Mifankatiava ihany raha mbola
velon’aina iah!!!!
Na dia tiana aza ny hiaraka
Dia tsy maintsy misaraka
Eny mafy izany hoe hifandao
Nefa tsy misy azo atao
Hany heriko sisa mifandray tànana
Mba ho mariky ny fifankatiavana
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Gas'ta
Visites : 1427
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : ikalamako
Date : 11/03/2015 15:38
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1218