Sôva momba ny sola (GangstaBab)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Manomboka fotsy ny voloko
Mikentrona koa ny tarehiko
Tsy matanjaka toy ny taloha
Mihena an-toerana hatramin'ny feako
Izay alehako toa tsapako
Antitra aho vao be ny tanora
Nefa ny lohako
Efa manomboka sola

Fa raha izy no sola ao aloha dia
Olona mahafatra-po
Fa raha izy no sola aoriana
Reharehan'ny fianakaviana.
Fa raha izy no sola ao an-tampony e,
Olona manana ny antony e.
Fa raha izy no sola tanteraka
Olona tsy mba miveraka.

Sola, sola
Sôva momba ny sola.
Sola, sola
Sôva momba ny sola.
Sola, sola
Sôva momba ny sola.
Sola, sola
Sôva momba ny sola.


Rehefa anontaniana ny sola
Fahasoavana ity sa kilema.
Aza miditra fiainan'ny olona
Fiainan'ny tena jerena.
Ny lohany tsy mba miaratra
Volony tsy manahirana.
Sola mijery fitaratra,
Tafaray samy mangirana.

Volon'ny olona sola
Tsy bangoina fa tonga dia mety.
Tsy entin'ny vady amin'ny sangany
Tsy lany vola amin'ny mpanety
Ny sola ao an-trano mazàna
No tena ireharehana amin'ny olona
Angovo no sady hazavana
Mitombo iray ny ampoule a.

Sola, sola
Sôva momba ny sola.
Sola, sola
Sôva momba ny sola.
Sola, sola
Sôva momba ny sola.
Sola, sola
Sôva momba ny sola.


Ndriii
Antitra ianao ity ny farany!
Zah ho'a tsy antitra izany
Mbola bôgôsy aho no sady be vola.
Fa rehefa dinihina ambony sy ambany an
Lohanao ary ity mihasola.
Tsika tsy sola miloloha voatavo,
Ka hifamitaka samy malama.
Ianao izao no tena miha-antitra,
Mademoiselle lasa madama.
(Sola é)
Sola mividy fihogo
Manontany tena ny mpivarotra hoe.
Volon-tratra ho atao vaky tampona
Sa volon-kelika hatao soro-bilana e?

Ny tanana mamolavola
Fihetsika indray mandeha
Sasalohan'ny olona sola
Miara-vita hatramin'ny tarehy.

Safidy raha samy ho voa
Aleo sola toa izay tailan-doha.
Satria tailan-doha manao soro-bilana,
Mampivilana ny efa mivilana.
Lesola moa io miboridana,
Ny andro diavolana sady ahodiny
Ka tena tsy fantatra intsony hoe
Ny lohany ity sa ny ...

Sola, sola
Sôva momba ny sola.
Sola, sola
Sôva momba ny sola.
Sola, sola
Sôva momba ny sola.
Sola, sola
Sôva momba ny sola.

Fandihin'ny sola loha
Fandihin'ny sola loha
Asio fandihin'ny sola aloha
Fandihin'ny sola loha.
Fandihin'ny so, so, so, so.
Sola, sola
Sôva momba ny sola.
Sola, sola
Sôva momba ny sola.
Sola, sola
Sôva momba ny sola.
Sola, sola
Sôva momba ny sola.
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : GangstaBab
Vangy : 258
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : hery
Daty : 16/03/2024 18:31
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.012