Rehefa maty (GangstaBab)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ny maty mandry hody vovoka
Mandra-piandry ny fitsanganan-ko velona
Ny velona kosa mijoro manefa adidy
Adidy amin'ny maha olombelona

Tompo ô, mba asaivo mitsena ahy ny anjely
Ary mba sokafy hidanadana ho ahy ny varavaran'ny paradisa
Sady hoy ny teninao masina manao hoe
Izay mino Ahy na maty aza mbola ho velona
Ary izay velona ka mino Ahy dia tsy ho faty mandrakizay

Rehefa maty aho halahelo ahy ianao
Halahelo ahy ianao
Fa izay alahelonao izay tsy ho hitako intsony
Tsy ho hitako intsony fa avoahy dieny zao

Rehefa maty aho hitomany ianao
Hitomany ianao
Fa izay ranomasonao izay tsy handena ny tratrako intsony
Tsy handeha ny tratrako intsony fa mitomania dieny zao

Rehefa maty aho ireo toetrako tantarainao
Ireo toetrako tantarainao
Izay tantarako tsara izay tsy ho henoko intsony
Tsy ho henoko intsony fa tantarao dieny zao

Rehefa maty aho ny heloko avelanao
Ny heloko avelanao
Fa izay famelanao izay tsy ho tsapako intsony
Tsy ho tsapako intsony fa mamela ahy dieny zao

Rehefa maty aho hitondra voninkazo ho ahy ianao
Hitondra voninkazo ho ahy ianao
Fa izay voninkazonao zay tsy azoko raisina intsony
Tsy azoko raisina intsony fa omeo dieny zao

Rehefa maty ianao izaho ve mba nahavita an'izany
Izaho ve mba nahavita an'izany
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : GangstaBab
Vangy : 3737
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 09/10/2018 22:24
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0727