"Mpanompo ihany" (GAEKFI (Isoavimasoandro))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
×2 |]_ Omeko, Omeko ry Tompo
_ Omeko Anao manontolo
_ Ny tenako,  sy ny fanahiko
_ Mbamin' izay rehetra fananako

Ref:_ F' izaho anie,  dia mpanompo ihany
_ Asa- tananao,  fitaovana ihany
_ Ka fifaliako,  izany hoe ilainao sy ampiasainao
_ Koa Jesosy ô,  inty aho iraho aho

×2 ||]_ Ekeko,  Ekeko ry Tompo
_ Ekeko izay fitondranao ahy
_ Izay sitrakao no ataovy amiko
_ Ataovy fa ho ankatoaviko

×2 Ref:_ F' izaho anie,  dia mpanompo ihany
_ Asa- tananao,  fitaovana ihany
_ Ka fifaliako,  izany hoe ilainao sy ampiasainao
_ Koa Jesosy ô,  inty aho iraho aho

×3 Koa Jesosy ô,  inty aho iraho aho
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : GAEKFI (Isoavimasoandro)
Vangy : 760
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : Alpha V
Daty : 17/11/2021 22:31
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3378