Ilay fitiavako anao (Francky)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1- Vao nanomboka nitsiry ilay fitiavako anao
Dia efa ngeza, mankadiry, ka tsy nihena hatramin'izao
Tena tsapan'ity foko, izany atao oe tia
Tonga ianao dia tsy foiko, tena mamy tena fy

Ka anio, mbola averiko ny voady izay natao
Ka anio, mbola ateriko mandrosoa eto anoloako
Ka anio indray ry tiako, mbola averiko hatrany
Fa ianao ilay nofinidiko, dia ianao ianao ihany

2- Tsy niambahamba akory aho fa namboraka avy hatrany
Izay rehetra tato am-poko, tsy niahiahy tsy nanontany
Ka niaradalana isika hatramin'izay ka hatramin'izao
Na dia nisy disadisa, indreto ihany izaho sy ianao

Ka anio, mbola averiko ny voady izay natao
Ka anio, mbola ateriko mandrosoa eto anoloako
Ka anio indray ry tiako, mbola averiko hatrany
Fa ianao ilay nofinidiko, dia ianao ianao ihany
Ianao ihany .. eehhh

3- Eny anio mbola ho lazaiko
Ny ato ampoko hatramin'izao
Raha mbola velona ny aiko
Ianao no tokako, eto antany (iiiii)

(coeur)
Ka anio, mbola averiko ny voady izay natao
Ka anio, mbola ateriko mandrosoa eto anoloako

Ka anio indray ry tiako, mbola averiko hatrany
Fa ianao ilay nofinidiko, dia ianao ianao ihany

https://www.youtube.com/watch?v=Or_f9wUgj20
Mpihira: Francky
Tonony: Dr Lalaina
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Francky
Vangy : 152
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : SimonRasoloniaina19
Daty : 06/04/2024 09:15
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0126