Zanako (firmin sy narindra)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
NARINDRA-ZANAKO

Na sitrapo na tsy niriana io dia
Zanako
Na voie normal na nodidiana io dia
Zanako
Na tsy tonga volana na ara-potoana io dia
Zanako
Na tsy ampy lanja nadritry ny taona io dia
Zanako
Na misy fahasebanana na salama saina io dia
Zanako
Na manaikitra nono na maptaraina io dia
Zanako
Na nisotrona ny rano tsy tiana io dia
Zanako
Na voredretra mipipy ampadriana io dia
Zanako

Na salama vatana na marary lava
Na madiditra na manatabava
Na olon-kendry na hanary lamba
Na tsy mkiraro na rovidamba
Na hivarilavo na ho modely
Na bôgôsy na ho manjakely
Na ho tompon'ny ditra na zanak'anjely io dia
Zanako

Na be diplaoma na tsy ampy solaitra io dia
Zanako
Na zaza milamina n taitaitra io dia
Zanako
Na mitrongy vao homana na ho tafita io dia
Zanako
Na fadiranovana na mahitahita io dia
Zanako
Na mafy loha na malemy paika io dia
Zanako
Na taitai-baombina na zaza bonaika io dia
Zanako
Na tsisy pentina na malotoloto io dia
Zanako
Na olom-banona na jiolahim-boto io dia
Zanako

Na be tatasiaka na be tsy miteny
Na mahery setra na malemilemy
Na ho sarindahy na ho sarimbavy
Na ho tia lehilahy na ho tia vehivavy
Na ho madio na ho mpanao afera
Na lasa dahalo na lasa mompera
Na hivarotena na lasa masera io dia
Zanako

Na nisotroana ny rano tsy tiana
Na niankinana ridrina irery
Na dia handaniako vola sy harena
Tsy ahngatahako valimbabena

Na be tatasika na be tsy miteny
Na mahery setra na malemilemy
Na olonkedry na hanary lamba
Na tsy mikiraro na rovidamba
Zanako
Fananako
Harenako
A/C: Gangstabab
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : firmin sy narindra
Vangy : 380
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : fabfan03433
Daty : 19/09/2023 12:39
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3078