Talenta (Fifyh)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Maro ireo manan-talenta, eto Gasikara
Na asa-saina na vatana, betsaka no tsara
Indrindra moa ireo mpanakanto
Misy ireo tena havanana
Ka mahavariana sy mahasondriana e!
Fa tompony izy fa tsy mpindrana.

Misy anefa dia ariana ny talenta ny sasany
Aleviny toy ny faty ka
Tsy hita hatramin'ny tarany.
Ilay hazavana tokony handroson'i Gasikara
Dia lasa haizim-pito indray ka
Tompon'ny fahatarana.

Ref:
Ireny talenta ireny anie
Nomen'i Jehovah ho anao
Ho entinao hanatsarana ny fari-piainanao
Hampitomboy hatrany
Isan'andro ampiasao
Dia ho sambatra ny tany e!
Raha tò ny adidinao.
....
Mpanakanto tena mahay ve, dia mivarilavo amin'ny toaka!
Isan'andro mamo, mivarilavo
Ataon'ny olona fandraoka.
Ilay tokony asintona ny mponina
Sy izay rehetra mba te hiala voly
'Zary ambinambin'olona fa, tsisy hajany intsony.

Tadidio fa ratsy fihafarana
Ny zavatra tsy niasa
Toy ny trano tsy honenana
Ka vetivety dia rava.
Ny fahaizana a, tsy miasa ihany koa e!
Ratsy ihany
Izay talenta anananao dia,
Ampiasao avy hatrany.

Ref:
Ireny talenta ireny anie
Nomen'i Jehovah ho anao
Ho entinao hanatsarana ny fari-piainanao
Hampitomboy hatrany
Isan'andro ampiasao
Dia ho sambatra ny tany e!
Raha tò ny adidinao. (X2)

Dia ho sambatra ny tany e!
Ampiasao ny talentanao.

....

Ampiasao ny talentanao.
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Fifyh
Vangy : 420
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : christophe17
Daty : 08/05/2022 11:48
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0738