Fiainana Vazah (Fhynoana)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Aminao ny foko midoboka
Izaho efa tafaroboka
Na efa lasa vovoka ary aho
Ity anao foana
Aiko hoe misy ny tampoka
Ny lehilahy mora tofoka
Nefa aza manahy ianao fa ho tiko foana
Ny elanela-ntany tsy asakana ana tsy iteny hoe tena tiako ianao
Na iza na iza andrava animba atsika sy ianao averiko androany ary ilay teny fanao

Na nofy aza ilay fiainana vazah
Nefa niova zah rehefa teo anilanao
Nefa zaho mankasitraka tamin'ny izay nomenao ( X 2 )
Ra misy manotany aho dia valiako eny foana hoe raha misy fotoana dia omeko anao foana ny amin'ny izao ho mariky ny fitiavako anao

Dia nanidina ny teny ary dia niodina ny tany ary efa niteny aho hoe raha mbola tsiferana
Raha hoe fahanterana tsy anampahataperana ny fitiavako anao

Na nofy aza ilay fiainana vazah
Nefa niova zah rehefa teo anilanao
Nefa zaho mankasitraka tamin'ny izay nomenao ( X 2 )
Ra misy manotany aho dia valiako eny foana hoe raha misy fotoana dia omeko anao foana ny amin'ny izao ho mariky ny fitiavako anao

Ilay nomenao fotoana niaraka ireny
Tazomiko ataoko anaty hira
Teiriziko ataoko souvenir

Ra misy manotany aho dia valiako eny foana hoe raha misy fotoana dia omeko anao foana ny amin'ny izao ho mariky ny fitiavako anao
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Fhynoana
Vangy : 91
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Fhynoana
Daty : 08/04/2026 23:19
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
Hirany hafa
tohiny...
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.5222