MISAOTRA ANAO (FEO FIDERANA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Misaotra Anao aho ry Tompoko malala ô satria
Notiavinao aho, nataonao mba ho toy ny Zanakao
Ninoninona re, ‘zay rehetra manjo
Tena tsapako fa famindra-ponao e

Misaotra Anao aho ry Tompoko malala ô satria
Notiavinao aho, nataonao mba ho toy ny Zanakao
Ninoninona re, ‘zay rehetra manjo
Tena tsapako fa famindra-ponao e

Ref (x2) : Asandratro mafy ny hira fiderana Anao
Mba ho fiderana, ny Anaranao
Raisonao re, ‘zany foko
Mba ho tsata, atolotra ho Anao e

Mba firifiry ireo ‘zay efa nody any Aminao
Tsy nahalàla akory ny fandaharanao
F’izahay kosa re, namindranao fo
Ka nahoana no tsy hisaotra anao e

Mba firifiry ireo ‘zay efa nody any Aminao
Tsy nahalàla akory ny fandaharanao
F’izahay kosa re, namindranao fo
Ka nahoana no tsy hisaotra anao e

Ref (x2) : Asandratro mafy ny hira fiderana Anao
Mba ho fiderana, ny Anaranao
Raisonao re, ‘zany foko
Mba ho tsata, atolotra ho Anao e
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : FEO FIDERANA
Vangy : 1657
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : mahery2015
Daty : 26/10/2015 14:38
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.8762