Ry aiko (Farakely)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Isika roa mpinamana efa hatry ny ela
Saika hifankatia kanefa nisy tsy namela
Ka nirenireny teny fotsiny
F'ilay fitia toa tapaka ampotony

Nefa ny foko mbola very ankehitriny
Tsy nety niova fa ianao hono no hany mba tiany
Nidrikina aok izany nandà ny hafa
Hoe manana hotiavina ka mihafahafa

F'ianao, ianao ry aiko
Ianao no hany lalaiko
Fa nilaozanao aho re ry aiko
Nefa ny hanadino anao toa tsy haiko
Fa nilaozanao aho ry aiko
Nefa ny hanadino anao toa tsy haiko

Indrisy anefa fa very ny fanantenana
Fa navelanao irery ao an-Tanana
Akanga saraky ny hafa tomany toa zaza
Very namana, very sakaiza

F'ianao, ianao ry aiko
Ianao no hany lalaiko
Fa nilaozanao aho, ry aiko
Nefa ny hanadino anao toa tsy haiko
Fa nilaozanao aho ry aiko
Nefa ny hanadino anao toa tsy haiko

ouh...

Fa mbola manantena anao lalandava,
fa ny rahomainty hono mbola hisava
fa mbola ho avy hono ilay maraina
hiavianao ry sombinaina...

Kam...
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Farakely
Vangy : 13553
Mpankafy : 3 Ankafizo
Nampiditra : rakotoarisoa14
Daty : 25/01/2018 08:57
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1834