DG (Fanatik)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Raha tsy mety ny ho sipan’ny DG
Voaroaka roak’alika allez mandeha

Ooooooooooo

Mahazaka foana ny DG-n’ny orinasa
Mahazaka sipa, mahazaka mpiasa
Mahazaka foana na efa soara
Lay manao hoe abus de pouvoir

Zah DG dia zah tsy manaiky
Mpiasa kôtiko tsy maintsy manaiky
Sipa kôtiko miseho be saina
Roasiko roasiko tsisy taraina

Oooooo

Izy tsy miraharaha, izy tsy mivaky loha
Vehivavy ao am-piasana sipainy avokoa
Izy tsy miraharaha fa indry raha vao manja
Sipasipainy vao omeny kandra

DG amin’ny 12, mpiasampiasa mody daholo
DG sy sekretera manao afera
DG mahazaka mpiasa mpiasampiasa efa lasa
Mikato-trano au bureau-ny manao ny ataony

Mahazaka foana ny DG-n’ny orinasa
Mahazaka sipa mahazaka mpiasa
Mahazaka foana na efa soara
Lay manao hoe abus de pouvoir

DG ooooooo
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Fanatik
Vangy : 2339
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 06/04/2016 22:56
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0166