AKAIKY MPAMONJY (FANASINA)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
AKAIKY MPAMONJYRaha tojo ady mafy aho dia izao no tsaroako hoe : Akaiky Mpamonjy aho
x 2 Raha tondraka ny rano dia tsy maintsy ho tafita aho f’akaiky Mpamonjy aho
Hoesorina ny aiko fa izaho tsy hamaly, ho sasa-poana ireo ‘zay te hampijaly
Na alefa an’ady aho, tsy ahoako satria ‘zao: akaiky Mpamonjy aho
Ny tanany mitsotra mba hamonjy aho foana
Raha tojo olana sy fakam-panahy
Manambitamby ahy raha misy fotoana
Malahelo ka mitomany aho
Na dia mamaky lohasaha maizina aza aho
Dia tsy hatahotra ireo fahavalo ao
Fa isan’andro dia fantatro fa akaiky Mpamonjy aho
Raha tojo ady mafy aho dia izao no tsaroako hoe : Akaiky Mpamonjy aho
x 2 Raha tondraka ny rano dia tsy maintsy ho tafita aho f’akaiky Mpamonjy aho
Hoesorina ny aiko fa izaho tsy hamaly, ho sasa-poana ireo ‘zay te hampijaly
Na alefa an’ady aho, tsy ahoako satria ‘zao: akaiky Mpamonjy aho
Nikombom-bava tsy namely ahy ny liona
Raha nalefa tao an-davaka aho
Tsy nanan-kery tamiko ny lafaoro
Na dia nafanaina im-pito aza aho
Dia gagagaga ireo nikasa ny hamono ahy
Raha nahita ireo fahagagana
Ka resy lahatra sy nilaza fa: akaiky Mpamonjy aho
Raha tojo ady mafy aho dia izao no tsaroako hoe : Akaiky Mpamonjy aho
x 2 Raha tondraka ny rano dia tsy maintsy ho tafita aho f’akaiky Mpamonjy aho
Hoesorina ny aiko fa izaho tsy hamaly, ho sasa-poana ireo ‘zay te hampijaly
Na alefa an’ady aho, tsy ahoako satria ‘zao: akaiky Mpamonjy aho
Na alefa an’ady aho, tsy ahoako satria ‘zao: akaiky Mpamonjy aho
FANASINA
--------
Rohy: