You are here: home > Tononkira > Fanah

Sambatra aho manana anao (Fanah)

https://tononkira.serasera.org/hira/fanah/sambatra-aho-manana-anao-1

Sambatra aho manana Anao
Tompon’ny fiainako Ianao
Ireo enta-mavesatra sy ziogako
Maivana noentinao

Ny anilanao Tompo tia
Tiako sy mamiko ery
Satria nafoinao hatramin’ny ainao
Sambatra aho manana Anao

Ref :
Na mpanota aza aho
NotoloTsiky dia ampyranao soa
Na maditra aza aho
Nomenao fiadanam-po
Na mafy ny manjo
Tsy ho kivy ny foko
Na mahantra aza aho
Sambatra aho manana anao

Ho vatolampiko ianao
Tompo o ! fiarovako ianao
Ho zary hafaliana ireo fahoriako
Rehefa miaraka aminao



Tonony sy feony : Rojo ny Avo

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Fanah
Mpamaky : 608
Mpakafy : 1 Ankafizo
Nampidirin'i : mafyloha3
Tamin'ny : 24/07/2019 09:00:23
ID : 11912

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo