Mamiko Ianao (Fahendrena)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Jesoa ny tenako atolotro eo an-tananao
Ity ny fiainako omeko ka hanjakao
Mamiko ny ho eo anilanao
Mamiko Ianao, mamiko Ianao.

Ny fo, ny saiko diovy fa efa Anao
Noharinao aho hitovy endrika aminao
Tompo ôh, tantananao ny tanako
Tia ahy loatra Ianao, tia ahy Ianao.

Raha vao mifoha ny maraina aho
Dia ny fahasoavanao, no manaraka ahy
Hihira ny fahatsaranao aho, mandrakizay
Fa tiako Ianao.

Raiso ny foko hanjakao
Ny momba ahy omeko Anao,
Mamiko Ianao.
....
Jesoa ny tenako atolotro eo an-tananao
Ity ny fiainako omeko ka hanjakao!
Mamiko ny ho eo anilanao
Mamiko Ianao, mamiko Ianao.

Raha vao mifoha ny maraina aho
Dia ny fahasoavanao, no manaraka ahy
Hihira ny fahatsaranao aho, mandrakizay
Fa tiako Ianao.

Raiso ny foko hanjakao
Ny momba ahy omeko Anao!

Raha vao mifoha ny maraina aho
Dia ny fahasoavanao, no manaraka ahy!
Hihira ny fahatsaranao aho, mandrakizay
Fa tiako Ianao!

Raiso ny foko hanjakao
Ny momba ahy omeko Anao,
Mamiko Ianao.

*Mamiko Ianao! (x2)
...
Mamiko Ianao!...
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Fahendrena
Vangy : 543
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : christophe17
Daty : 03/02/2023 19:41
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1236