Mpiahy (Esic Choir (Evangelic Singers In one Choir))

https://tononkira.serasera.org/hira/esic-choir-evangelic-singers-in-one-choir/mpiahy

Noho ny Fahasoavanao
No naha toy izao ahy ry Ray
Rehefa notantananao
Niatanjaka aho niha sahy
Nisedra olana aho
Kanefa teo Ianao
Ry Ray Mpamindra fo, sy foto-tsoa

Mbola ho harovanao,
Ho ambininao anie
Na ny orambaratra aza
Tsy hitako intsony tsy ho re
Aza matahotra
Hoy Ianao miantso ahy
Ry Andry tsara indrindra, tsy mifindra.

Ry Jesoa o!
Ianao mahafantatra ny antsipirihany @ fiainanay
Ry Jesoa o!
Arovy izahay @ ireo fakampanahy
Ry Jesoa o!
Na misy aza sarotra tsy maintsy ho lalovanay
Dia fantatray fa Ianao Mpiahy

Tsy misy mahasakana ahy rtononkira.serasera.orgehefa eo anilanao
Asandratro ny feoko izao anio izao


Kivy, ory, osa

Very izahay indraindray

Tsy mahita izay aleha

Maizina ny fiainanay

Nefa Ianao 'lay hazavana

Mahatoky mahatamàna
Ianao 'lay namana, fiadanana
Ianao 'lay namana, fiadanana

Ry Jesoa o!

Ianao mahafantatra ny antsipirihany @ fiainanay

Ry Jesoa o!

Arovy izahay @ ireo fakampanahy

Ry Jesoa o!

Na misy aza sarotra tsy maintsy ho lalovanay

Dia fantatray fa Ianao Mpiahy

Tsy misy mahasakana ahy rehefa eo anilanao
Asandratro ny feoko izao anio izao

Noho ny Fahasoavanao No naha toy izao ahy ry Ray !

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Esic Choir (Evangelic Singers In one Choir)
Mpamaky : 80
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : Esicchoir
Tamin'ny : 08/11/2019 23:14:55
ID : 12188

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo