Map'pouka (ENERGY BOYS)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Na ianao io aza mety ho voan’ny Sida é ! ka mitandrema
Raha misy zavatra mampanahiahy, manantona Dokotera Tandremo ary ô !

Miala tsiny aho e ! Miala fondro aho e ! raha ohatra
Misy teny manimba sofina
Indrindra ireo mpianadahy na koa ireo mpianaka,
Fa ny Sida anie efa mianaka-Mahafaty io e !


Réf : Arovy ny tenanao, arovy ny namanao
Arovy ny manodidina mba tsy ho voan’ny sida
Fa io dia aretina tsy mifidy na vavy na lahy
Mahafaty io e ! Mahafaty io a !
Fa io dia aretina tsy mifidy na vavy na lahy


Raha mifanaja ireo mpifankatia
Tsy mangalam-pihinana manketsy mankery
F’iray ihany no atao vady be
Dia tsy ho sahirana a !
Ny any amin’ny sisiny dakana aleha mandeha


Raha tena tsy zaka fankam-panahy
Dia hampiasao ilay raglahy
Hoan’ireo bandy kely na ny Mademoiselle
Fadio mihintsy ny rélation sexuelle


Tempolin’Andriamanitra ny vatantsika
K’aza entina miampitapita
Mitandrema,mitandrema
Aza mijangajanga e !
Fa isika no ho avin’ny firenena
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : ENERGY BOYS
Vangy : 2011
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ANDRIARIVONY A. SETRA ( ALGOS )
Daty : 19/11/2003 08:10
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5027