Paradisa (El'Mich)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tsy foiko ianao raha lavitra ahy
Na fotoana fohy aza anie
F'ianao no fahasambarana ho ahy
Mibitsika ao am-po na tsy mba re
Fa tsisy afa tsy ihany iny e
No tokako raha mbola eto an-tany
Raha ilaozanao zah mangina e
Satria ianao, ianao irery ihany

Efa ho avy tsy ho ela intsony
Ilay paradisa homaniko ho anao
I love you babe reo lasa avalony
Fa ny ahy sy ianao ho fiainam-baovao
Manjary nofinofy
Nofy e, no iainantsika sy ianao
Manjary nofinofy
Nofy e, no iainantsika sy ianao

Aza variana mitanisa reny lasa omaly ireny
Ny adalako izay tsy averiko intsony
Fa ny foko efa malemy resy ka tsy afa miteny tapa-kevitra
Tsy hamerina intsony
Fa raha zay fahoriana e tsy hahazo antsika zany ma Babe
Ho feno fifaliana e tena marina tsy hoe rediredy


Miankìna eto an-tratrako eto
Faza manana ahiahy
Ho foana manomboka eto
Zay rehetra nampanahy
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : El'Mich
Vangy : 6898
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 07/04/2015 23:26
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1407