Mpamory hetra (Elita)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Andramena, sokatra, safira, volamena
Nareo aza mikabary tsony loa fa vola omena
Ny volonay fotsy, miasa mafy ny tareha mivoara mena
Zahay mia mahantra isan andro, ny lanjan ariary mihena
Miarihary lena, tsy manankialofana ny sakafo tsy ampy
Anareo ny harena, anareo ny fiarovana, anareo ny sampy
Anareo ny villa, zay tsisy atokona ao am bilany
Lasa mivarotena ny sipa, ny bandy lasa mpivarotra vinany
Anareo ny vintana, omena 5 taona fa tsy hita ze vitany
Laozany mamitaka, jifa ny volambahoaka efa ritrany
Omeo anay ny anjaranay hoatran mpamory hetra
Hery famoretana miandry anay, nefa tsy mahery setra

Mpamory hetra, mpamono daolo nareo meloka rehetra
Nareo mendrika ny hirehatra, nareo mendrika ny hiletra
Ny fako miparitaka, eraky ny tanana ny ady misaritaka
Ny polisy tsy miasa manotra, ny vahoaka miady mifandripaka
Ny tanjona mifanipaka, nenay fahafahana nenareo seza
Ny anay ny fitaovampiadiana vato, ny anareo ngeza
Aty marina, nenareo sabatra basy langilangy
Ny zanakay gadrainareo am tsisy antony rehefa lagilagy
Anareo ny voninahitra, ny tolona oviana tsy hitsahatra
Ny polisy mamono, mitifitra rehefa n vahoaka milahatra
milahatra, zay ngamba ny lahatra zay tia dia manaraka
Mpamory hetra haza lambo, antsoy ah hoe Varatra
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Elita
Vangy : 723
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 09/04/2017 14:51
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0901