Ny Anaranao (Elia Sarobidy)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ny alahelonao hisolo hafalianaIndray andro any,
Ireo ranomaso sy alahelo akiviana
Tsy maintsy ho lany.
Fa fandalovana ny zava-drehetra e!
Ny aina anie ka tsy mifametra
Ka dieny izao manaova ny marina.
Ref:
Fa ny Anaranao
Mahay manafaka ny enta-mavesatro
Fa ny Anaranao
Efa nitondra ireo mafy niaretako
Tsinontsinona aho
Raha tsy noho ny famindram-ponao!
Matoa aho toy izao
Dia mbola noho ny fahasoavanao.
Mandalo sy miserana anie,
Ny eto an-tany
Ireo harenanao sy ny volabe
Tsy hatonganao ho any
Lalana roa anie ny safidy misy e!
Paradisa sa ny fiainan-tsihita
Miomana ianao mahaiza mifidy.
Ref:....
....
Pont:
Jesôsy no lalana sy fiainana,
Raha mino azy ny fonao
Jesôsy hitondra fiadanana
Raha manaiky Azy ianao,
Ka dieny izao raiso ho anao
Ilay tena fitiavany.
Ref:
Fa ny Anaranao
Mahay manafaka ny enta-mavesatro
Fa ny Anaranao
Efa nitondra ireo mafy niaretako
Tsinontsinona aho
Raha tsy noho ny famindram-ponao!
Matoa aho toy izao
Dia mbola noho ny fahasoavanao.
(X2)
Matoa aho toy izao
Dia mbola noho ny fahasoavanao.
(X2)
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny hira
Mpihira : Elia SarobidyVangy : 76
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : christophe17
Daty : 15/11/2024 23:39