Ampitao aminy (Dom)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Avy amin'ny fo zany fitiavana zany, hono hoe
Maniry ny anilanao
Lazao izy fa nitsiry tao anatiny, hono hoe
Tsy zakany hokobonina
Mba anontanio azy
Fa rahoviana no hamaliany azy
Fitia mamy ny azy, hono hoe
Tsy manery fa miangavy
Tsy maintsy ho afa-po hono ianao ao anaty ny lakam-pitia
Zaraina ny soa, hono, ianao
Ary hitoetra mandramaty
Ianao ihany no hany tokana tiako eto an-tany
Avelao ny fonao hamoaka ny taratra hazavana

Ampitao aminy zay mba tiako ambara
Fa lasany any ny foko nataony amboara
Aleo 'zaho ho anao ihany
Fa 'zaho efa voanao ihany

Tsy mahita tory
Fa lasa vinany, hono hoe,
Mieritreritra anao
Raha misy mampahory
Aza mitomany zany, hono hoe
Fa izy no atao herinao
Ho voatambitamby,
Ho voky fitiavana sy teny mamy
Tsy ho leo sangisangy
Feno tsiky foana foana, hatrany hatrany

Mba lazao azy ary,
Mba lazao hono hoe
Izy hono tsy hiova fa eo anilanao eo foana
Tsy hiova fanahy
Tsy hiova fo
Mahazo matoky fa tsy ho voafafan'ny taona

Ampitao aminy zay mba tiako ambara
Fa lasany any ny foko nataony amboara
Aleo 'zaho ho anao ihany
Fa 'zaho efa voanao ihany

Ampitao any, ampitao any moa

Ampitao aminy zay mba tiako ambara
Fa lasany any ny foko nataony amboara
Aleo 'zaho ho anao ihany
Fa 'zaho efa voanao ihany
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Dom
Vangy : 27906
Mpankafy : 3 Ankafizo
Nampiditra : Santatraeps
Daty : 04/07/2016 22:37
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.011