Glady (dokotera valy)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ao taritiko ny lalako hamakivaky ny tsy tazakoNy tsara be otazako, ny manjary sisa andrasako
Mampihosona ny life, kely fa sahy mitakosona
Ary eo anoloan’ny zava-bitako aho vao tena sahy miankohoka
Mivazizotra ny betroko, ny handriko miketrona
Evoka sa setroka, tsemboka fa tsy sampotra
Sehatra iraisana io fa ny serantsika no samihafa
Misento fa tsy miato, manaiky miady aho na tsy mafy
Mandady aho fa mandroso, raparapa ny lohalika
Rovi-damba aho fa tsy hanaiky ary izay no maha Mason’Aloka
Nifampilako ny hafa fa iaho tsy raha mba taitra
Mety hoe tsy favo fa tsy very satria amiko izay no raitra
Ety amin’ny solaitraben’ny fiainako aho mampiana-tena
Miteny amin’ny tenako hoe izaho ihany no tehina ianteherako
Reharehako ny maha antoko mpanoratra
Fa ankasitrahako ihany koa ilay iaho parsi tsy misy mpihoraka
Nakambako ny tanako, tantanako ny fanahiko
Efa nolazaiko tamiko ny jiaby ankoatran’izay tsy haiko
Mbay ary fa lalako, anatina mbala tasinà ratra iaho
Ny bala tsy te hahalala fa ny hipala ahy ihany ary zarako
Tsy anindriko bokotra dingan-dava, aloka ny ahy ny tava
Tsy hisalorako maso hafa ary mahasoa ahy iny
Ny ahy dian’ny tsy be teny, izay tonga no omen-tehaka
Tsy fombako ny be tenda
Vao navadiko ny satroko, dia virakiny be ny Hendry
Nanasoketa ahy hoe very , tsy namaly aho aloha fa nietry
Henoko ireo wa lava niharo tondro molotra
Ka atolotro azy am-panajàna androany ny adala indrindra amin’ny fanondroko ary.
[Nampiditra]:
RAKOTONARIVO Sitrakiniaina Tantely
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny hira
Mpihira : dokotera valyVangy : 118
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Masoka
Daty : 13/10/2025 17:37
