Tsy vitako (Jao)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tsaroako ny fiainako taloha lavitra Anao,Nivezivezy tsy nanan-katao, very ny saiko eee
Tsy mba nanana an’iza itarainana, Fahoriana nameno ny fiainana, saika niala ny aiko eee (zan miitsy)
Soa ihany aho fa navotanao, Nomenao fiainam-baovao (ehhh), faly ny foko eeeiii
Noho ny herin’ny fanahinao, Resy ny ratsy fanao, matanjaka sady matoky eeie (misaotra Jesosy a)

Tsy vitako e…tsy vitako e (haha), Tsy vitako e aleo tsika roa ihany
Fa tena tsy vitako e (tsy vitako mihitsy) tena tsy vitako e, Tsy vitako e aleo tsika roa ihany Jeso

Misaotra Jesosy am famonjenao…ouy…hahahaaaah

Misaotra Jesosy mahery ‘zay tantananao, Mandresy amin’ny adiko re aho izao Ianao no inoako eee (mandrakizay),
Tsy foiko intsony ny anilanao, tena tsara lay fiainam-baovao mamin’ny foko eeee
Fa n’aiza n’aiza no mbola ho aleha, n’inon’inona koa no atao, Ianao no ho enoiko eee
Fiderana no atao be dia be, asandratro ny anaranao e, kalokaloiko eee(haha tsy vitako Jesosy a)

Tsy vitako e ny (ny analavitra anao),tsy vitako e…aleotsika roa ihany(aleotsika roa ihany)
Tsy vitako e (Jesosy), tena tsy vitako e, tsy vitako e aleo tsika roa ihany Jeso
Ianao ihanyx3 Jeso
Tsoujororororo Ianao ihany tiako ny anilanao Ianao ihany Jeso
Lalana lavitra mbola ho aleha, ny anilanao re no tsara e
Loza sy fandrika koa be dia be, ny anilanao re no tsara e
Tantananao no sady mandre ny anilanao re no tara e
Anilanao zaho pare (houuuuuuuuuu) anilanao re no tsara
Tody ny zavatra iriana…, fahasoavana sy fitahana e hehe..ny ady sy ny fijaliana e he e…
Ny Anao fiadanana sy fifaliana eeeeeee

Tsy vitako e ny analivitra Anao, (zany mihitsy Jesosy a) …yeaiei
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Jao
Vangy : 5922
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Tiana_Andrians
Daty : 20/01/2020 18:27
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0719