Mamo indray ny misiônera (Diosezy - Dio-XVI Komandona)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Waaaaaah, mamo 'ndray ny misiônera (×3)
Mamon'ilay fiainana fa tsy mamo anaty vera!

KWINCY:
Mamo ve sa mody mamo?!! (mody dizinaaa!!!)
Mampidongizina, mampiesona, mampihinan'ny angano.
(Tena) tiana ve sa mody tiana ny Tanindrazana.
Vahoaka misara-bàzana, ny kilonga handova tany ngazana.
Mody miady nefa toa gasy mody mihavana.
“Taxe” amin' “amende” fa kay mangarom-paosy ry navany.
Mampanantena paradisa maitso mavana
Toky kanefa fitaka f'izy mpandainga goavana.

SLAM JAH:
Mamo indray ilay misiônera nefa tsisy nandona vera
Mamon'ny pôlitika savsavla nianjera.
Katrin'ny “embouteillage” sady katrin'ny “matraquage”
Mamon'ny fandrebirebena soa ihany aho fa tsy nandady.
Dizin'ny grevy aho avy eo katrin'ny korontana.
Atleta tsara perfo nefa mamon'ny kotrana
Mamo tsy nifoka aho nefa toa badenina
Hay kay zah mamon'ny bomba “lacrymogène”

TAX BOUTA :
Mamo indray ny M, dia nakobokobo “thème”
Totokenan'alika, tsara fono anaty “Nem”,
Sady voa ialahy no lavo, mitsotsotra miaraka @ bex, (Kay (ma)skitana voalavo!)
Ny tanàna feno valandotra,
Ny anabavinareo miboridana any anaty tambazotra.
Mba neveriko hoe tsotsotra,
Kay niseho daholo hatramin’ny tripy be mirofarofa!!!

Waaaaaah, mamo 'ndray ny misiônera (×3)
Mamon'ilay fiainana fa tsy mamo anaty vera
Waaaaaah, mamo 'ndray ny misiônera (×3)
Mamon'ilay fiainana fa tsy mamo anaty vera

BAMBS:
Tantely mamy ihany aho ity manontany tena ity ihany hoe,
Mamo tampona ihany aho amin’ireo mamoan-tsampona be,
Ny tanàna mantsina be, na kely io mantsy na (lehi)be,
Tsy misy ilàna azy, toa endrika ivelany ihany ny fiakanjo mihaja,
Ny fahaiza-miaina, ny fahaiza-mihaino nankaiza ihany?
Lasa nirifatra sa niodina angaha toa lasa fanina?
Izaho aloha tsy “Fan” an (x3)
Vao miseho akama eo ianao tonga dia hodiako fanina an.

BEN J:
Aia ihany ary ilay tombotsoa hiombognana
Angetoran'ny mpanao politika vao dozy daholo
Hafa ihany hoa ilay samy tonga saigna
Dia efa isika samy isika efa kopy daholo
Savolaigna, lahy tokana ny aigna
Mila fitsinjovana ny taigna samy taigna
Eka lek! ilay fiainana miseka efa mamo loatra
Aleo tsy ampiagna saigna mirefarefa.

DRB :
Mamo indray ny misiônera dia midongizina!
Tsy ampy kaly, ny fofon-tsetroka mahadizina
Mifezaka amin'ny pesta, ny mpanendaka efa rezika
Mipararetra rehefa soara sao ny dahalo mety ho guest a!
Ny làlana potika, ny emboutaka mafotaka
Misahotaka ny pokona, ny mpianatra mirotaka, mitokona ny Prof’!
Anio mandray karama dia efa fotsy ny paosy!
Hiala vazony aho ilay misiônera dôzy.

Waaaaaah, mamo 'ndray ny misiônera (×3)
Mamon'ilay fiainana fa tsy mamo anaty vera
Waaaaaah, mamo 'ndray ny misiônera (×3)
Mamon'ilay fiainana fa tsy mamo anaty vera

TONGUENAT:
Mamon’ny emboutaka sy ny olona eny amin’ny FB misahotaka,
Aleoko tsy mi-soudaka amin’ialahy tia mifandrombaka,
Ny masoko superficiel no hitany bobaka,
Ny bilao mitobaka, tandremo ny fo sao trobaka,
Ialahy hoy ialahy nefa izaho mety ho dadan’ialahy,
Tanora loatra no hitan’ialahy dia mety tsy fantatr’ialahy,
Ah ‘zalah!, ny EGO tsy voarefy, jereko ny napetrany, inona? Voatsinefy!

JENTO:
Maneno ny tavoahangy (Atsangano ny vera)
Sambatsambatra ny dôzy, tsy mila gidra, tsy mianjera,
Mihodina ny tany, mihazakazaka ny lera,
Ny afera maloto tsy ataoko, izaho matoky valera,
Misokatra ny varavarana, masoandro mipoitra avy antsinanana.
Miaràha misandratra aminay.
Mendrika ny fandresena hoy aho. Milay

XTAH:
Mbola tsy barakay ! Inona no tsy harakay ?
Mandrefy l?lana minday vato pezy fa tsy kibay, ny kofboay
Tsy mibizina any Duba?,
Ambay ambay ny jiro mena sy mangan’ ialahay fa mampikolay,
Izahay miharitra emboutaka mavaivay! oooayy!!!
Dia ny ao an-tsainay masaisay oooayy!!!
Saingy Dioaka izahay, avy nandray ny mofo sy ny divay
Dia ankalazao fa hoe mamo 'ndray izahay!

Waaaaaah, mamo 'ndray ny misiônera (×3)
Mamon'ilay fiainana fa tsy mamo anaty vera
Waaaaaah, mamo 'ndray ny misiônera (×3)
Mamon'ilay fiainana fa tsy mamo anaty vera
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Diosezy - Dio-XVI Komandona
Vangy : 1688
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 28/02/2019 10:11
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0513