Lehilahy Gasy (Dian-Hay)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Aza manambanimbany lehilahy gasy
Io gny anay io tsy ratsy
vatana tsara anananao io mahampy!

(oooh... aza manambany lehilahy gasy anao)

Mamanao gasy, papanao gasy
Tsy tokony hifanaratsy
Anao nahazo ny hafa, mipetraha tsara
Ny an'ny tegna k'aza hambaniana
Tano avao ny anao vahiny
Zay gny raha hambarako anao (x2)

Aza manambanimbany lehilahy gasy
Io ny anay io tsy ratsy
vatana tsara anananao io mahampy!
Aza manambanimbany lehilahy gasy
Io ny anay io tsy ratsy
Saina tsara anananao io tsy ratsy!

Tsy olo handeha hitady bagarre
fa zaho koa mba manambara
Tsy zaho malaigny dollar, na euro tsara
F'efa lahatra Zanahary, Gasikara koa mba Ariary
Zay tsy atao gne raha hamparary (x2)

(Zahay tsy ratsy, fa hafa avao gny mahazatsy
Tsy ratsy, tsy ratsy...)
Fa ny lehilahy gasy
tsy mba miavona, zatra miafy
Na oran'andro na kotro-baratra, izy mahasaky
Fitia tsara fototra
Tsy miova sagnatria
Fa rehefa tia dia tia
Mandrakizay ho doria

Aza manambanimbany lehilahy gasy
Io ny anay io tsy ratsy
vatana tsara anananao io mahampy!
Aza manambanimbany lehilahy gasy
Io ny anay io tsy ratsy
Saina tsara anananao io tsy ratsy! (x3)
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Dian-Hay
Vangy : 617
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Nohisoa
Daty : 10/05/2022 11:03
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1977