Rasetafaikany (dee.)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Mangidy ny toakaFa firy no misotro azy ahitana sombin'amamiana?
Mavesatra ny Teny
Fa tsisy dikany ireny raha oharina amin'izay nolanjainy Neny
Maro ireo manenjika ahy
Fa vitsy loatra anefa ireo nandihy ny lalana nodiavako
Maro ny notiaviko
Fa ny androany no hodioviko fa ny omaly efa nataoko hoe fahavaloko
Fa ny adisoako omaly kay, Iny no amaritany ahy
Handrabirabiany ahy rahatrizay
Fa ny tsara ataoko androany anefa
Ohatran'ny vovoka oentin-drivotra mandalo ihany tsy mitoetra
Fa ny tsara ataoko androany anefa
Mandalo ihany tsy mitoetra
Aiko fa ny soa ho ahy mety ho faharesen'ny sasany
Ny soa hoazy mety tsy ho afaliako 'koa
Fa ny soa atao izao tsy levenam-bola intsony fa levenana antsy izay mba manamanam-bola
Fa miara-miaina eto fa tsy mitovy saina
Te ihinam-bary izy fa kamo hamadi-bainga
Te ho tafita izy fa kamo ampiasa saina
Dia misy ny Abela dia misy koa ny Kaina
Fa tsy ho ataoko fantany ny ratram-poko
Efa reako fofona ny lokon-tsainy
Efa rean'ny sofiko ny fosafosa
Fa tsy hoe resy akory izaho raha tsy miteny
Raha tsy manaiky aho dia lazainy ratsy toetra
Raha te hivoatra aho dia lazainy matikambo
Te hitraotra dia ny pozina no foako fa hatramin'izao aho mbola tsy mety hofaty ihany
Fa nalaviriko ahy ny zava-mahadomelina
Satria izay fetsifetsy ihany hono no tafa
Fa ho tambiny ranomasoko nipatrapatraka ny fandreseko hipoaka ohatrany varatra
Fa amin'izay aho tsy hanakora azy
Amin'izay aho mbola hitsiky foana
Amin'izay dia tsy ho tsaroako intsony
Ireo ratra nataony ahy tamin'izany fotoana
Fa nitora-bato izy fa tsy nandinin-tena
Zana-drafy ah ka tsy nanana ny rariny
Nefa sarotra takonana ny marina fa androany ialahy mianjery dia rahampitso mila miharina
Sao tara loatra lesy vao ho ajanona ny revirevy sy ny tariny
Aiko mihintsy hoe revy fa tsy ditra fa tandremo lesy ilahy sao tsy tafiarina
Fa ny olom-belona eto manakiana ny hainy
Raha manamanam-bola ialahy lazainy fa mikiky
Raha mitady fanampiana ialahy mahazo tehamaina
Miandry an'ialahy hianjera ireo fa fitaka ny tsiky
Fa ny olom-belona eto manakiana ny hainy
Raha manamanam-bola ialahy lazainy fa mikiky
Raha mitady fanampiana ialahy mahazo tehamaina
Miandry an'ialahy hianjera ireo fa fitaka ny tsikitsiky
Fa ny fiainana lesy efa hitako ny faitrany ah(efa nandramako daholo hatramin'ny raviny sy ny fakany ah)
Tsingerin-taona midika amiko hoe akaikin'ny fetrany aho(manakaiky ihany ny fahafatesana ah)
Halan'ny olo-maro,,nataony nahita faisana
Fa tin-JANAHARY ohatran'i RASETAFAIKANY
--------
Rohy:
Momba ny hira
Mpihira : dee.Vangy : 79
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Rinohran5
Daty : 09/03/2025 11:21