Soa ihany (Coco mainty ft dago ( Mason'Aloka ))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
SOA IHANY🔥Coco Mainty & Dago
kaiza izy zany dago, otrany tena tsy maintsy hanao hiram-pitiavana ihany😉
Tsisy kozy io fa tena inspiraka daholo eh..Setroka fa tsy tomany eh💯Zay
Miandry ny maraina indray hitazana ny endrikao toa tsisy diso, ilay masonao toa tsisy tsiny, ilay tsikinao toa tsisy kianina, eny iny
Miandry todika iray toa tsy mba tonga hatram'izay
Miandry fietsika kely ho famantarana anakiray
Miandry ny fasahian-kiarahaba kanefa ny tahotra no bobaka sao enao tsy mamaly na sao nareo roa mifamaly
Dia mody fanina de mody falifaly kanefa ngeh zah ao am-bovo amreny tsy mahakaly eh
Mandritra ny alina toa tsy mahita tory de dozy, de radem nefa tsisy kozy, fa vao matazana ny salovatavanao ny bandy dia io fa tsy mahakozy
Herin'ny masonao, falemena izy ho ahy
Ny hakantonao tafahoatra, faresena izy ho ahy
Ny fasahianao no fatahorako, ny firosoanao no fihemorako, ny tsy fasahiako mamboraka no hamono ahy ankolaka..ngamba

NY hiarahaba hanolo-tanana hifanojo lalana aminao tsy sahy
Kanefa na hijery hifanohatra am.masonao mamiratra tsy sahy

Enao mantsy no anjeliko sady devoliko
Enao no raozikely mpanaingo sady mpameno tsilo ny tanimboliko
Enao no tontoloko, enao ihany no hanorina ary handrava ny tempoliko
Enao nefa...
Soa ihany ianao tsy nafantatra ahy
Soa ihany enao tsy kopy fa simbanao ny foko, soa ihany aho tsy sahy
Soa ihany aho fa tsy nanandrana hamboraka fitia
Soa ihany ny nofinofiko ny ahy nataoko parsi
Soa ihany ianao nandah, soa ihany nisalasala ianao, soa ihany tsy te halala enao, soa ihany fa mody adala enao
Soa ihany tsika fa nijanona amzao
Soa ihany nahay nangina aho fa tsy be lazao

Zah manko mpandratra fo, tsy mahay mitia fa be mokondoha
Nenah ny RAP sy ny REVY no mandeh aloha fa tsy ny fo
Nenah  ny akamako maro loatra, ny revinay tafahoatra, nenay tsa misy fetra ny moly sy ny toaka
Zah mantsy mandeh mafy sao tsy arakao ny famindrako ndraindray
Ny fiainanay tolona, ny fiainanay ady mamay
NB:Ao am coms ny tohiny ry zalah ah🔥🖤🤟🏻
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Coco mainty ft dago ( Mason'Aloka )
Vangy : 224
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Toucki
Daty : 03/09/2025 18:08
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1185