Rano mandeha (Ckoji (feat. Dom Rasolo))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Hoy aho Baba ah
Hoy aho mama ah

Izy lava volo toy ny rano mandeha
Izy avy any ambanivolo fa tsy tanan-dehibe a!
Manambaka diavolana fenomanana e.
Ny fonao mitopatopa mandray ny tanana e.

Mandrotsirotsy sofina e,
(feony iny e)
Ny fahadiovan'ny fony aminao,
(asehony iny)
Gasigasy fitafy é,
(manintona anao, manintona handeha ho any)
Tiako fa malagasy é,
(mamiko ianao, mamy toa vatomamy)

Manjary kilema ny hatsarana eo anatrehanao e
(anatrehanao e)
Mizara hafaliana sy hafanana ao anivony ao e
(ao anivony ao e)
Amoron-drano harivariva ao atsinanana e
Sasa-miandry ny olon-tiana fa hiara-dalana e.

Mandrotsirotsy sofina e,
(feony iny e)
Ny fahadiovan'ny fony aminao,
(asehony iny)
Gasigasy fitafy é,
(manintona anao, manintona handeha ho any)
Tiako fa malagasy é,
(mamiko ianao, mamy toa vatomamy)

Mandria ivohon'ny vatolampy ianao ry kalakely e
Any ambanimbany vohitra no misy anao e
Hoy aho Baba ah
Hoy aho mama ah
Ou ou, tiatiako ianao e
Hoy aho mama ah
Hoy aho Baba ah
Hoy aho mama ah
Ou ou, tiatiako ianao e
Hoy aho Baba ah
Hoy aho mama ah
Hoy aho mama ah

Tsy afaka hidina toa papango eny amin'ny habakabaka e
Nentiny nanidina tsy eto antany any aho fa araho vavaka e
(fa lasa ny foko ô)
Fafazo rano aho fa torana e
(voabata ny foko ô)
Ity vatako mangorangorana e

Mandrotsirotsy ny sofina e,
(feony iny e)
Ny fahadiovan'ny fony aminao,
(asehony iny)
Gasigasy fitafy é,
(manintona anao, manintona handeha ho any)
Tiako fa malagasy é,
(mamiko ianao, mamy toa vatomamy)

Fa lasa ny foko ô
Voabata ny foko ô

Mandria ivohon'ny vatolampy ianao ry kalakely e
Any ambanimbany vohitra no misy anao e
Hoy aho Baba ah
Hoy aho mama ah
Hoy aho mama ah
Ou ou, tiatiako ianao e
Hoy aho Baba ah
Hoy aho mama ah
Hoy aho mama ah

Mandrotsirotsy ny sofina e,
(feony iny e)
Ny fahadiovan'ny fony aminao,
(asehony iny)
Gasigasy fitafy é,
(manintona anao, manintona handeha ho any)
Tiako fa malagasy é,
(mamiko ianao, mamy toa vatomamy)
Mandrotsirotsy ny sofina e,
(feony iny e)
Ny fahadiovan'ny fony aminao,
(asehony iny)
Gasigasy fitafy é,
(manintona anao, manintona handeha ho any)
Tiako fa malagasy é,
(mamiko ianao, mamy toa vatomamy)
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Ckoji (feat. Dom Rasolo)
Vangy : 366
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : hery
Daty : 07/04/2023 18:45
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0748