Tsy ho foiko (Carol Dillie)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Omeko anao ny tanako
Tiako loatra ianao
Fa ianao no anjarako
Tiako tsotra izao

Ho masoandroko, hasambarako
Ho malalako
Tsy ho foiko intsony ianao
Resy aho, babonao.

Etsy ianao tantanako
Ho eto anilako eto
Ahy ianao, nandrasako
Tia aho tsisy fetra.

Bitsiky ny fo ao anatiko
Tokana ho anao
Foiko ho anao 'ty foko 'ty
Fitia ho doria

Ho  masoandroko, hasambarako
Ho malalako
Tojo anao aho, tena tia
Fitia ho doria
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Carol Dillie
Vangy : 914
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 06/08/2020 15:23
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0137