Andao Indray Hovangiana (Bouboul (RAMBOATIANA Etienne))

https://tononkira.serasera.org/hira/bouboul-ramboatiana-etienne/andao-indray-hovangiana

Ando indray hovangiana
Ny fahiny mamintsika
Ilay toerana mangina
Natao, natao ho antsika

Ny hanadino tsy hohaiko
Ato am-poko tsy very
Tiako sy lalaiko
Satria antsika, antsika irery

Tsy nampaninona antsika akory
Ny fanala sy hatsiaka
Nanantena fa hanangoly
Ny tsirim-pitiavantsika

Ando indray hovangiana
Ny fahiny mamintsika
Ilay toeratononkira.serasera.orgna mangina
Natao,natao ho antsika

Ny hanadino tsy hohaiko
Ato am-poko tsy very
Tiako sy lalaiko
Satria antsika, antsika irery

Sangisangy sy ny kalokalo
Tantara niaraha-nandre
Nampitodika ireo mpandalo
Moa tadidinao ve ?

Teo nanaovantsika dina
Ny voady sy toky mamy
Ka na sento na hafaliana
Niarahantsika hatrany

Raha iny tsy tafaray
Ny amiko sy anao
......

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Bouboul (RAMBOATIANA Etienne)
Mpamaky : 3023
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : ariary
Tamin'ny : 04/11/2003 03:37:12
ID : 2068