Vady iaraha-manana (Black Nadia)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ohh lehilahy mampirafy leretsy tsisy fanafody fanafany a!
Efa aretina hatramin'izay fa mipahaka hatrany amin'ny fakany a!
Na hiodin-kavanana, na hiodin-kavia, vady amin'izao iaraha-manana
Izay no tsarovy sy tadidio

Na vadina fonksionera, tsy maintsy an-kively sekretera
Na vadina sofera, amin'ny devant ihany ny adiversera
Na vadina pilote, tsy maintsy rafinao madimozely l'hôtesse
Ka raha tompom-bady ianao, aza mora taitaitra e!

Ampiakaro ny bex e (ie e e)
Ho soa ny fiarahantsika (ie e e)
Ady mivady efa démodé, lamaody amin'izao efa la monnaie
Fiainana efa mampihomehy, mbola inona koa e?
Tchin tchin!

[Instrumental]

Vola aloha no ataovy an-doha, alao lavitra any ny aretim-po
Tsy hoe izaho (no) mampiana-dratsy fa ilay toetra ratsina galifantsy
Aza dolantina aleo anaraka fa samy tsisy vola hatramin'i Richard
Hay i Balita any an-koditro samy maditra tsy ratsy loha e

Iry ingahy profesora ankilam-bady mamono telefona
Vadina ingénieur manana rafy iray taonina
Na vadina dokotera d'efa rafivavinareo ry infirmiera (ouh)
Samy mampirafy daholo nareo o hatramin'ny dôkera

Tsy mijery lavitra fa rafivavy tsy lavitra ho'aho
Odio adala, dia mba mailomailo r'ikala a
Fa ilay ao am-paosiny no ataontsika mahita mamay
Fa (ny) lehilahy amin'izao anie ka tena voay e! Voay!

Ampiakaro ny bex e (ie e e)
Ho soa ny fiarahantsika (ie e e)
Ady mivady efa démodé, lamaody amin'izao efa la monnaie
Fiainana efa mampihomehy, mbola inona koa e?
Tchin tchin!

[Instrumental]

Ampiakaro ny vera, asio labiera
Atao tchin tchin e, lehilahy iray tsy mampaninona e

[Instrumental]
A a a hiii

[Instrumental]
Ouuu

[Instrumental]

Ampiakaro ny vera, asio labiera
Atao tchin tchin e, lehilahy iray tsy mampaninona e
Vady iaraha-manana e x3
Inona akia no raharahiako?
Vady iaraha-manana e
Kibo tsy feno no itomaniako?
Vady iaraha-manana e
Izahay angaha no tsy efa tany e?
Vady iaraha-manana e
Ny hafatranay aza mitomany
Vady iaraha-manana e x8
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Black Nadia
Vangy : 51
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Domoina991
Daty : 07/09/2024 10:58
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4137