Dia lasa ianao (BKS)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
INTRO
Dia lasa tokoa zany ianao
Dia izaho irery sisa no tavela teto
Ilay foko tsy mahasaraka nefa nilaozan'ny tiana
Tsy misy atao afa-tsy ny misento
Tampoka tamiko raha ny maraina vao nahalala
Fa ny ariva ianao dia hoe andeha
Veloma mandrampihaona e!
COUPLET 01:
Alahelo lalandava no mameno ny andrompiainako
Fa tsy eo intsony anie ilay olontiko
Fitiavana matsiro mantsy ny antsika tamireny ka dia tsy nifankafoy na dia oe iray minitra
Ankehitriny aho lasamborona manembona anao
Ato antrano tsisy zavabita
Fa mahatsiaro ireny fibedesanao sy fanitsiana tamin'ireny ditraditra
Dia mbola tsaroko ary latsa_dranomaso aho mahatadidy ilay oroka tsika farany
Tsy mahafoy anao aho ozy ndry ka dia nofikirindry mafy mihitsy ny tanako
Mbola lavitra anefa ny lalana
Ary koa sasamiandry ny fiara andehanana
Alahelo ranomaso ny nahita anareo lasa sy ianao mikopatanana
REF:
Dia izany rehetra izany no mitambatra ato anatiko sarotra adino ka dia malahelo
Ireny tsikitsikinao toa mampihiratra ny andriko mijanona ho tsiambaratelo
Nefa atao ahoana moa fa tsiaro sisa no azo atao ka dia mandrampihaona e
Mino aho fa mbola hihaona e
COUPLET 02:
Any ianao mba manao ahoana ianao any izay
Fa ilay fialanao iny toa takaitra mahamay
Miezaky ny hanary dia fa tsy hita ny andehanana
Miasa saina loatra ny Bosiko aza toa namalana
Mifandray eo foana tsika amin'ny antso antaroby
Saingy hafa mitsy piso izany oe eo anilandry
Tsy afa_manotra tsika ary tsy afa_miteny
Izay tsy fidiny ho anao fa noho ny asan'ny Raiamandreny e
Ka dia mbola mino za, fa mbola hihaona any aorina
Mino aho amizay fa hiaina ampasambarana eo akaiky olotina e
Dia izay ilay vinavina e
REF:
INTRO:
BKS _ Dia lasa ianao
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : BKS
Vangy : 585
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Ainamaminirina
Daty : 10/12/2022 21:03
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0782