Tsy natao ho anao (bks ofisialy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Nangataka ny fitiavanao aho
Mba hitsetra ity foko kely nanampaniriana
Ka namentsoventso ny hiantsampy eo antratranao hiara higoka hamamiana
Saingy ilay andro iray iny aho dia ankona tanteraka tsy nahateny fa gina
Satria nolavinao ho olotiana ka dia alahelo no nameno ny alina mangina
Nahatsiaro voakapoka mafy aho
Tohizako ny lalako nahapahana ny masoko
Niheazaka ny tsy hisaina intsony oe lasa nofy ratsy ilay mba vinavina ooo
Natsiaro fanina ny foko sy torovana ny saiko
Tena nahatsiaro tena nangina aho

REF:

Izaho anie tamireny
Naniry fatratra ny ho sakaizanao o
Tomefy fitiavana ny tato ampoko
Mba te ho malalanao ka dia nolavinao aho
Fa amizao kosa aho
Vitako tanteraka ny nanadino anao o
Saingy ianao indray izao no mitalao
Nefa efa nisy olona nomeko an'ilay tokony ho anjaranao

Taty aoriana ianao nikaroka
Mba te ahita ilay tavako voafilafila fahiny
Nihevitra ahy ho mbola latsapaka ka nikasa hilalao ity fo tsy manantsika e
Nefa diso hevitra ianao raha ao aminazy no hikasa hivahiny
Napetrako amin'ny tompony ny fanalahidy fa raha izaho aloha dia tena mialatsiny
Satria ve enao nomeny lamosina ka hitodidoha aty aminah
Saingy efa tsara Safosafo ny foko ka nahita tory tsy hifoha aminao
Efa nihidy oa ilay foko kely natositosikao eee

REF:
Izaho tamireny, niandrandra topimaso miampy tsika fanekenao ahy, saingy tsy mba izany mitsy fa indrisy e
Fa amzao kosa, efa misy andry iankinana ity foko kely ka, ny amireny zary lasa tsiaro sisa e
REF:
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : bks ofisialy
Vangy : 101
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Ainaotononkira
Daty : 14/06/2024 11:09
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2528